Tuesday, February 02, 2010

'Tsara iafarana' by Rija Ramanantoanina


Rija & Lily - Tsara iafaràna (Bessa)
envoyé par Andraina. - Anniversaire, mariage, premiers pas en vidéo.
Miriorio foana ny angidina
Tsy mahagaga tsy akory f’izay no fombany
Misavoamboana dia midina
Ka mianjera any an-kady rehetra any

Vola no maha-be rehareha
Ka mazàna jamba ny maso voatakony
Nefa ny mibirioka fandeha
Zohin-tsiny lava ka tsy mba madio

Kendreo izay ataonao
Saino lanjalanjao
Mandalo ihany izao rehetra izao
Fidio ny mba ho soa
Nefa tandremo koa
Sao diso aoriana ka voa

Harena sy voninahitra
Rendrarendra tsy hita ifandafarana
Fa mbola hafa maharitra
Ny fitiavana tsara hiafarana